vendredi 4 juin 2021

HISTORY OF THE CLASSICAL MUSIC IN MADAGASCAR

 NY TANTARAN' NY MOZIKA KLASIKA ETO MADAGASIKARA :

Ny Tompontany teto Madagasikara dia efa nanana ny Mozika isan-karazany sy ny Zava-maneno nenti-paharazana an-jato maro izay nampiavaka azy efa nanomboka arivo taona maro.
1) Ny Mpanjaka RADAMA 1 (1810-1828) no nampiditra voalohany ny Harmonium sy ny Solfa teto Madagasikara ho fanitarana ny fahaizana amam-pahalalana sy ho fandrosoan' ny vahoaka tamin' ny alalan' ireo misionera protestanta.
2) Ny Mpanjaka RADAMA II (1861-1863), mpitendry Valiha, no nampiditra voalohany ny Piano Classique sy ny Solfège teto Madagasikara tamin'ny alalan'i Jean Laborde sy ny Mopera Marc Finaz. Ny Mpanjaka RADAMA II dia tena nahay Mozika, nahay nitendry Piano, ary mpamoron-kira, toy ny Mokatejy (My Cottage) na Rahodra (My Wood), Kalokalon-dRadama (Romance de Radama), Arahaba (Bonjour), Izahay sy Malala (Moi et mon Amour). Izy koa no nampiditra ny zavamaneno tsofina vahiny, tahaka ny Clarinette, Cornets à piston. Nanomboka teo no nanoratana ny Hira fiderana sy Mozika isan-karazany.
3) Ireo Mpanjaka vavy RASOHERINA (1863-1868), RANAVALONA II (1868-1883) ary RANAVALONA III (1883-1896) dia tena nankafy Mozika Fivavahana sy Mozika Klasika.
4) Ny Mpanjaka RANAVALONA III no nanangana ny Tempolin'ny Mpanjaka tao Anatirova Antananarivo izay notokanany ny 20 Jolay 1869 ary nampiditra voalohany ny Grand Orgue à Tuyaux teto Madagasikara.
5) Ny Mpanjaka RANAVALONA III (1883-1896) dia nanaiky ny fampidirana ny Guitare classique, Alto, Flûte traversière, ary Mandoline teto Madagasikara.
6) Tamin'ny andron' ny Mpanjaka RANAVALONA III dia ny Pasitera JOSEFA ANDRIANAIVORAVELONA (1835-1897), Mpitandrina tao amin' ny Tempolin' ny Mpanjaka tao Anatirova dia mpamorona Hira Fivavahana. Ny Mpampianatra RATANY (1856-1944) no nampianatra sy nanabe ny ankizy sy ny zatovo tao Anatirova Antananarivo ary mpamoron-kira koa izy. Ary RAMBOATIANA no Lehiben'ny Mpitendry zavamaneno tao Anatirova dia mpamoron-Kira sy Mozika.
7) Ny Prince Dr Joseph RASAMIMANANA, 12 Vtra (1867-1935), Lauréat de la Faculté de Médecine de Lyon (1891), Chirurgien ancien stagiaire de Val-de-Grâce, Professeur de Médecine de l'Académie Royale de Médecine, Mpitendry Valiha, pianiste classique, no nampiditra voalohany ny Valses classiques pour piano teto Madagasikara rehefa niverina avy any Europe.
8) Nisy Orkestra Miaramila Malagasy izay tonga lafatra sy Tarika Mpahay mozika vakodrazana Malagasy izay nandray anjara ary tena nahavariana ireo vahiny tany amin'ny Exposition Universelle de Paris tamin'ny taona 1900. Vokatr' izany dia nisy Mozika nenti-paharazana Malagasy izay nadika Solfège ho an' ny Piano Classique, ary natonta printy anaty Boky tany France.
9) Taorian'izay, ny mpanakanto FELIX RASOANAIVO, mpahay mozika, mpamoronkira, dia nandalina Piano Classique ary lasa Lauréat du Conservatoire National de Musique de Montpellier. Ary nisy tamin' ireo mozika ho an' ny Piano Classique noforoniny no navoakany printy tany France.
10) Ny mpahay mozika GILBERT LALAO RAONY dia nandalina Flûte traversière ary nahazo ny 2ème Prix du Conservatoire National de Musique de Paris tamin'ny taona 1906.
11) Ny mpahay Mozika (pianiste, organiste d'église) sady mpamoronkira NORBERT RAHARISOA (1913-1963), namorona ny feonkira "Ry Tanindrazanay Malala" tamin'ny taona 1946 izay lasa Hiram-pirenena taty aoriana, dia nandalina Mozika tao amin'ny Conservatoire National de Musique de Paris. Taty aoriana izy dia nankany Slovenia, ary nisy Mozika noforoniny no niangalian' ny Orchestre Symphonique de la Radio de Slovénie.
12) Teo anilany, ny mpiangaly zavamaneno maro, mpamoronkira sady Chef d'Orchestre Philharmonique GILLES RAMIARISON (1918-2007), izay namorona 300 hira sy Mozika, anisan' izany ilay hoe "Zanahary O, Tahio ny Tanindrazanay", dia nandalina Mozika koa taloha tao amin'ny Conservatoire National de Musique de Paris (2ème Prix de Saxophone sy Professorat de Musique) tamin'ny taona 1960-1962.
(Hitohy)

Antananarivo Vohitra masina, faha-07 Mey 2020.

Pr. Dr Ndriana RABARIOELINA,
Mpikaroka, Mpitendry sy Mpamorona Mozika, Mpitarika Orkestra.

-------------------------------------------------------------------

HISTOIRE DE LA MUSIQUE CLASSIQUE A MADAGASCAR : Les premiers habitants autochtones de Madagascar avaient déjà leur propre musique avec de styles très variés et de centaines d'instruments de musique traditionnelle depuis des millénaires. 1) C'est le Roi RADAMA 1er (1810-1828) qui a introduit le premier Harmonium et le Solfa à Madagascar pour l'éducation de ses citoyens par le biais des missionnaires protestants. 2) Le Roi RADAMA II (1861-1863), joueur de Valiha, a introduit le premier piano droit et le solfège à Madagascar par le biais de Jean Laborde et du Père catholique Marc Finaz. Et le Roi Radama II était un musicien doué, pianiste, et compositeur de musique écrite avec le solfège, comme Mokatejy (My Cottage) ou Rahodra (My Wood), Kalokalon-dRadama (Romance de Radama), Izahay sy Malala (Moi et mon Amour), et Arahaba (Bonjour). ll y introduisit aussi des instruments à vents occidentaux comme la clarinette, les cornets à piston. Puis, des hymnes royaux commençaient à être écrits. 3) Les Reines RASOHERINA (1863-1868), RANAVALONA II (1868-1883), et RANAVALONA III (1883-1896) étaient des mélomanes de Musique sacree et de Musique religieuse. 4) La Reine RANAVALONA II (1868-1883) a inauguré le Temple Royal d'Anatirova Antananarivo le 20 Juillet 1869 et elle y introduisit le premier Grand Orgue à Tuyaux à Madagascar. 5) La Reine RANAVALONA III (1883-1896) accepta l'introduction de la Guitare, l'Alto, la Flûte traversière et la Mandoline à Madagascar. 6) Au temps de la Reine RANAVALONA III, le Pasteur Josefa ANDRIANAIVORAVELONA (1835-1897), musicien, compositeur, Pasteur du Temple Royal, créa de chants religieux que l'on chante jusqu'à nos jours. Le Professeur RATANY (1856-1944), professeur au Palais Royal, musicien, pédagogue, compositeur, a créé de la musique sacrée et de la musique religieuse. Et RAMBOATIANA, Chef des musiciens du Palais, composa des chants, hymnes royaux, et de la musique traditionnelle. 7) Le Prince Dr Joseph RASAMIMANANA (1867-1935), 12Hrs, Lauréat de la Faculté de Médecine de Lyon (1891), Chirurgien ancien de Val-de-Grâce, Professeur de Médecine de l'Académie Royale de Médecine, premier savant scientifique malagasy, musicien joueur de valiha, pianiste classique, a introduit les Valses classiques pour piano au sein de la Cour Royale en revenant d'Europe. 8 ) Un groupe de musiciens traditionnels malagasy furent envoyés à l'Exposition de Paris en 1900. Par la suite, FELIX RASOANAIVO, musicien, pianiste classique, compositeur, fut diplômé et Lauréat du Conservatoire National de Musique Montpellier. Il a publié une partie de ses compositions pour piano classique en France. 9) Plus tard, le musicien GILBERT LALAO RAONY fut diplômé et reçut le 2ème Prix de Flûte traversière du Conservatoire de Musique de Paris en 1906. 10) Le musicien et compositeur NORBERT RAHARISOA (1913-1963) qui a composé le futur hymne national de Madagascar intitulé "Ry Tanindrazanay Malala" en 1946, était aussi un ancien du Conservatoire National de Musique de Paris. Plus tard, il émigra en Slovénie où ses compositions étaient jouées par l'Orchestre Symphonique de la Radio de Slovénie. 11) Par ailleurs, le musicien multi-instrumentiste, compositeur, et Chef d'Orchestre Philharmonique GILLES RAMIARISON (1918-2007), auteur de 300 chants et musiques dont l'hymne intitulé "Zanahary O, Tahio ny TANINDRAZANAY", était aussi un ancien du Conservatoire National de Musique de Paris (2ème Prix de Saxophone et Professorat de Musique). (à suivre) Antananarivo, le 07 Mai 2020. Pr Dr Ndriana RABARIOELINA, Docteur en Théologie, PhD, ThD, Chercheur, Musicien, Compositeur, Chef d'Orchestre.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire